1 Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia. Ary Isaia Mpaminany, zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah : Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty hianao, fa tsy ho velona.

2 Dia nitodika nankany amin'ny rindrina izy ka nivavaka tamin'i Jehovah hoe :

3 Jehovah , enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy.

4 Ary raha tsy mbola tafavoaka ny tanna[Na: kianja.] afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe :

5 Miverena, ka lazao amin'i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe : Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao : Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon'i Jehovah hianao.

6 Ary hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao; sady hamonjy anao sy ity tanna ity amin'ny tnan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanna ity Aho noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.

7 Ary hoy Isaia : Mak ampempan'aviavy. Ary dia nalainy ka napetany tamin'ny vay, dia sitrana izy.

8 Ary hoy Hezekia tamin'i Isaia : Inona no famantarana fa hositranin'i Jehovah aho hiakatra any an-tranon'i Jehovah raha afaka ampitso ?

9 Dia hoy Isaia : Izao no famantarana ho anao avy amin'i Jehovah hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy : handroso hdiny[Heb. ambaratonga.] folo va ny aloka, sa hiverina hdiny[Heb. ambaratonga.] folo ?

10 Ary Hezekia namaly hoe: Mora foana ny handrosoan'ny aloka hdiny[Heb. ambaratonga.] folo; tsy izany, fa aoka ny aloka hiverina hdiny[Heb. ambaratonga.] folo.

11 Ary Isaia mpaminany nitaraina tamin'i Jehovah, ka nampiverina aloka hdiny[Heb. ambaratonga.] folo Jehovah, dia ilay nidinany teo amin'ny dialin'[Heb. ambaratonga.] i Ahaza.

12 Tamin'izany andro izany no nampitondran'i Berodaka-baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy.

13 Ary Hezekia nandray[Heb. nihaino] azy ka naneho azy ny trano rehetra fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany : tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin'ny fanjakany rehetra.

14 Dia nankany amin'i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka nanao taminy hoe : Ahoana no nolazain'ireo olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy ? Ary hoy Hezekia : Avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.

15 Dia hoy izy : Ka inona avy anefa no hitany tato an-tranonao ? Ary hoy Hezekia : Izay rehetra ato an-tranoko dia efa hitany avokoa : tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato amin'ny firaketako rehetra.

16 Ary hoy Isaia tamin'i Hezekia : Henoy ary ny tenin'i Jehovah :

17 Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharn'ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.

18 Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa; ka ho tandonaka[Heb. ionoka.] any amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona ireo.

19 Dia hoy Hezekia tamin'Isaia : Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy; Eny, tsy izany va, raha misy fiadanana amin'ny androko ka handry fahizay ?

20 Ary ny tantaran'i Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin'ny nanaovany ny kamory sy ny lakan-drano nitarihany rano ho ao an-tanna, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany ?

21 Ary Hezekia lasa nodimandry any amin'ny razany; ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy
